|
Fitsidihana Sekoly tany amin’ny Sekoly Maitso Loterana Shalom Mahajanga |
|
Tamin’ny faha 22 ka hatramin’ny faha 25 jona lasa teo ihany koa dia nisy ny fitsidihana tany amin’ny sekoly maitso ShalomMahajanga. Sekoly 5 ihany koa no notsidihana tamin’izany. Anisan’ izany ny Sekoly Maitso Ambalahonko, Ampasipitily,Andamonty, Vilamatsà ary Soalala. Sekoly maro mpianatra ny Sekoly Maitso Shalom, ny mpampianatra dia mavitrika na dia eo aza ny tsy fahatomombanana indraindray. |
|
Read more...
|
|
|
Fitsidihana Sekoly tany amin’ny Sekoly Maitso Bara |
|
Nitsidika ny Sekoly Maitso Bara ny ekipan’ny ProVert ny 08 hatramin’ny 12 Jona lasa teo. Misy sekoly 11 ao amin’ny Sekoly Maitso Bara, Sekoly 5 tamin’ireo no notsidihina : ny Sekoly Maitso Mahazoarivo, Mahabo, Andaka, Ankasy, ary Besakoanenjika. Nandritra ny fitsidihana no nahitana ny zava-misy any amin’ireo sekoly sy toerana ireo. |
|
Read more...
|
|
Vatsim-pianarana avy amin'ny NMS |
|
|
|
Written by Mamisoa
|
|
Tuesday, 21 April 2009 13:12 |
|
Nahazo vola 29 000 000 Ariary avy amin'ny Misiona Norveziana ny Fiangonana Loterana Malagasy hamatsiana ireo mpianatra sahirana ara-bola nefa maniry na manatanteraka fianarana amin'ireo sekoly fianarana asa anivon'ny FLM. Sekoly fito no nahazo ireo vatsim-pianarana ireo dia ny SEFAFI Fihaonana, SEFAFI Tombontsoa, FOFAFA Tsarafototra, SFM, FOFAJA Loharano, FOFAMA rafitra sy zaitra, SEFAM. Mpianatra zato sahirana no iantefan'ny famatsiam-bola amin'ireto sekoly ireto, mba ahafahan'izy ireo mamita ny fihofanany hatramin'ny farany. |
|
Last Updated ( Thursday, 23 April 2009 06:50 )
|
|
|
Taom-pianarana : 2009-2010 : Misokatra indray ny fidirana amin’ny Sekoly Fambolena sy Fiompiana eto anivon’ny FLM . Ny 01 Avrily 2009 no nisokatra ny fisoratana anarana ary hifarana ny 31 Aogositra 2009 ho an’izay mpifaninana vonona ho amin’izan. |
|
Read more...
|
|
Fivorian'ny mpanolotsaiana ara-pedagojika |
|
|
|
Written by Ndrina
|
|
Friday, 03 April 2009 05:14 |
|

Tontosa ny 23-24-25 Mars 2009 lasa teo tao amin’ny FOFAJA Antsirabe ny fivoriana voalohany isan-telo-volana ataon'ny mpanolotsaina pedagogika. Ny FFL sy ny ProVert no mpikarakara ny fivoriana ary tonga nanatrika izany ireo olona nantsoina avy tao amin’ny SFM, Sekoly Maitso Bara, FoFaJa, FoFaMa. Ezahina ny hanaovana ity fivoriana ity fara fahakeliny isaky ny telovolana. |
|
Last Updated ( Thursday, 23 April 2009 07:00 )
|
|
Read more...
|
|
|
|
|
<< Start < Prev 1 2 3 4 5 Next > End >>
|
|
Page 4 of 5 |