Home

Atrik’asa mahakasika ny fanabeazana mampiaty na ny « éducation inclusive » tao amin’ny hotel des Thermes Antsirabe ny 19, 20, 21 aprily 2010

Ny 19 Aprily

Ny Tonian’ny Fiangonana Loterana Malagasy no nanokatra ny atrik’asa, tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana.

Narahan’ny fandraisam-pitenenana samihafa:

  •   Ny Ambasadaoron’ny Norvezy eto Madagasikara, izay nanatitrantitra fa ny ankizy rehetra dia tokony ho afaka miditra an-tsekoly avokoa, ny sekoly sy ny mpampianatra dia tokony ho vonona lalan-dava handray any ankizy rehetra.

 “Ny ankizy izay mahay miara miantra dia mahay miara-miaina”

  •  Rtoa Anne Karinne indray dia nilaza fa tokony hiara-hientana ny rehetra ; misokatra ho amin’ny fiovana; anisan’ny vina iray ny fiarah-miasan’ireo sehatr’asa rehetra izay miasa ho an’ ny fanabeazana mampiaty
  •  Rtoa Ben’ny tananan’Antsirabe: ny tanjona hoy izy dia ny fanomezana ny ankizy rehetra fanabeazana sahaza
  • Ny ministeran’ny fampianarana dia nanome toky amin’ny fiaraha-miasa.

Narahan’ny fampahafantarana  mahakasika ny sekolin’ny Jamba eto Madagasikara izay mirafitra amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy, nataon’Atoa SOLOERISON Ernest talen’ny FOFAJA ao Antsirabe.

 

Ny mahakasika ny sekolin’ny marenina eto Madagasikara eto amin’ny  Fiangonana Loterana Malagasy, ny tantarany, ny asa iandraikentany, ny tanjon’ny sekoly  tao ihany koa ny fampiatiana ankizy marenina any amin’ny sekoly “ordinaire”izay nataon’ni Ramatoa RAHELINORO Jeannette, tale nasionaly ny FOFAMA eto Madagasikara.

Tao ihany koa ny fampahafantarana ny Fanabeazana Fampianarana Loterana  (FFL) eto Madagasikara. Ny tantarany, ireo toerana ahitana sekoly Loterana, ny fanatanterahana ny fanabeazana mampiaty, notontosain’i Ramatoa Jeno Isabelle tale nasionaly ny FFL.

Ny tolak’andro dia nitsidika ny sekoly  Loterana Farimbona izay ahitana ankizy jamba sy marenina mianatra miaraka amin’ny ankizy “ordinaire”, ny sekolin’ny jamba sy marenina any Antsirabe ny mpivory.

20 Aprily 2010

Fizarana traikefa izay nataon’ny ministeran’ny fanabeazana na ny MEN, izay nilazalaza ny zava-misy ankiehitriny, ny paik’ady ho enti-manatanteraka ny fanabeazana mampiaty, ny fanaovana ny “GUIDE sur l’éducation inclusive” sy ny “decret sur la politique de l’éducation inclusive”, ny olana na ny sakana, ary ny vahaolana.

Fizarana traikefa nataon’ny UNICEF:  ny fananganana CPRS inclusif, ny FAF inclusive ary ny fanaovana ny “carte des exclus” izay iarahana amin’ny ankizy.

CISCO Antsiranana, Antsirabe I no “projet pilote” iasana @ izao fotoana izao.

Ny hariva

Fizarana traik’efa nataon’ny vahiny avy amin’ny “DEAF AID Kenya” niarahana tamin’ny Jean Claude Adzzala

Nambarany nandritran’ny fandraisany fitenenana ny tantaran’ny “deaf aid” , ny firafitry fampianarana any Kenya, ny mahakasika ny fanabeazana mampiaty. 

Ny traikefan’ny Gianchere, sekolin’ny marenina any Kenya: Niova ho zavatra hafa ny fanabeazana mampiaty, tsy nahitana vokatra hoy izy tany amboalohany.

 

Ny handicap international no namarana ny fotoana ny hariva

Ny Handicap international indray dia nizara ny traikefany amin’ny fampidirana ireo ankizy manana fahasembanana, ny fisian’ny  kilasy integer ao main’ny sekoly 58 ao anatin’ny faritra 12 eto Madagasikara.

Ny paikady izay entin’izy ireo manatanteraka izany, toy ny fanentanana atao eny anivon’ny ray aman-dreny, fanofanana ireo mpampianatra, fanomezana fitaovana ireo ankizy izay manana filana manokana

 

Nofaranana tamin’ny asa isan-tarika ny atrik’asa, asa izay nijerena ny zava-misy ankehitriny , ny dingana efa natao,  ny olana na ny sakana, ary ny vahaolana, ireo rehetra ireo dia mahakasika ny fanabeazana mampiaty avokoa

Sary vitsivitsy nandritra ny artik'asa :

 

 

 

 

 

 
www.provertflm.mg Powered by ProVert in Malgach Lutherian Church
webmaster: