| Fivoriana isan'enimbolana ProVert |
|
Tontosa soaman-tsara ny 08 sy ny 09 jona lasa teo ny fivoriana isan'enimbolana fanaon'ny Provert. Raha tsiahivina moa dia ity fivoriana ity no fotoana ihaon'ny soritr'asa tsirairay ao anaty ProVert. Tao amin'ny Kolejy Loterana Toliara no nanaovana ny fivoriana, ary ny fomba vaovao fanaovana tatitra arak'asa no nodinihana tamin'izany. Araka ny toromarika tao amin'ny "Result management" ny NORAD no hoentina maneo tatitra manomboka izao ho an'ny soritr'asa. Tsy dia nazava tsara ho an'ny tsirairay tamin'ny teo ampanomboana, ny tapany maraina ny fivoriana andro voaloany, ny atao hoe vokatra : "out put", "out come", ny "impact". Notohizana tamin'ny asam-baomiera ny fivoriana ny tapany hariva, tamin'izany no nahafahan'ny soritr'asa tsirairay namehy ireo karazana vokatra voalaza etsy ambony ireo. Nitohy ny 09 jona maraina ny asa-mbaomiera satria nafana dia nafana ny ady hevitra tao anatin'ny vaomiera. Ny tapany hariva dia samy namelabelatra ny tatitra arak'asa vitany ny vaomiera tsirairay. Lesoka nomarihan'ny Masoivoho ny Novezy ny tsy fahafehezana ny fanehoana vokatra ho an'ny soritr'asa sy ny Programa. Izany no nahatonga ny fiompanan'ny fivoriana mahakasika ny fomba fanehoana tatitra. Araka izany dia tsy mitsahatra manatsara ny fomba fiasany ny Programa Fanabeazana Maitso |

