| Akon'ny Herinandro Maitso II |
| Written by TA |
|
Ny 02 sy 03 desambra lasa teo no notontosaina tany Ihosy tao amin'ny SoFaBa ny herinandro maitso niarahan'ny soritr'asa tsirairay miara-miasa amin'ny ProVert. Fivorian'ny tompon'andraikitra ara-tontolo iainana sy ara-pedagojia izy io. Nibahan-toerana tamin' izany ny fanaovana asa mivantana mikasika ny tontolo iainana. Miara-miasa akaiky ny samy soritr'asa ka tamin' ity fotoana ity dia mikasika ny fanamboarana tanimboly hambolena legioma hoan'ny kilasy taona faha-4 ao amin'ny Kolejy Loterana Ihosy no tena nimasoana.
Nomena ireo fahalalana ilaina ireo mpianatra. Teo koa ny mpampianatra ireo ankizy ireo nijery akaiky ny fampianarana. Marihana fa fampianarana mivantana no natao, tonga dia teny an-tanimboly ireo mpianatra 20 no nanangana zaridaina 3. Telo satria hambolena ireo karazana legioma fototra (ireo mamody toy ny karaoty, ireo mandravina toy ny laisoa ary ireo mamoa toy ny tsaramaso maitso).
Rehefa voatsangana ny tanin-jaridaina dia niroso tamin'ny fambolena ireo masom-boly ny mpianatra, tsy nisy teto ny fanampiana zezika ny tany satria tany efa masaka tsara no nanaovana ireo zaridaina. Nizara vondrona 3 ny mpianatra ka samy nanana ny tany namboleny avy. Faly dia faly ny ankizy tamin' izany satria niova tamin'ny mahazatra azy ireo ny fampianarana. Rehefa vita ny fampianarana ny fananganana tanimboly fambolena legioma sy ny fomba fambolena karazana legioma dia niroso tamin'ny fianarana ny fomba fiarovana azy ireny amin'ny bibikely mpanimba. Tsy amin'ny alalan'ny fampiasana akora simika anefa no nampianarina ireto mpianatra fa tamin'ny alalan'ny fampiasana ireo ravina misy manodidina antsika toy ny voandelaka sy ny kaonsoda. Niafara tamin'ny fiaraha-mamboly hazo moa ny andro niarahana tamin' ireo ankizy. Tsy dia fialamboly na fotoana tsy nianarana ka nialana sasatra akory io andro io ho an'ny mpianatra fa notsindriana tsara ary ampahafantarina ny mpampianatra fa afaka miara-dalana tokoa ny fampianarana sy ny fiarovana ny tontolo iainana, satria amin'ny alalan'ny asa pratika dia sady mikirakira ny sain'ny zaza no mampihatra ny fahalalana nomena azy (toy ny kajy, ny SVT, ny geografia,...) no sady mahazo fahalalana vaovao (ny fifandraisan'ny zavatra ianarana any am-pianarana amin'ny fiainana an-davan'andro). Ny andro faha- 2 dia nifantoka tamin'ny fanaovana jeritodika ny zavatra vita isaky ny soritr'asa sy ny niarahana teo anivon'ny ProVert no nodinihina, nojerena koa ireo zavatra kasaina hatao amin'ny taona hoavy. Fangalana lesona ny herinandro maitso, lesona ho an'ny ankizy, ho an'ny mpampianatra ary ho an'ny tompon'adraikitra.
|
Environnements




