Raha ny MAP no jerena dia toy izao ny paik'adin'ny fanjakana Malagasy mikasika ny vehivavy :
TENY IFANOMEZANA FAHA 8
FANAMBY 5: MAMPIROBOROBO NY MIRALENTA SY NY FIZAKAN-TENAN’NY VEHIVAVY
Zavamisy ankehitriny
Mavitrika tokoa ny vehivavy Malagasy eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Any ivelan’ny fianakaviana koa anefa dia misy ireo manana asa aman-draharaha sy andraikitra ambony. Na eo aza izany dia mbola tsy dia hita firy ny fandraisany anjara eny anivon’ny asam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Tanjona Hampitomboina ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy eo amin’ny famahana ny olana eo amin’ny fiarahamonina, ny fandraisana fanapahan-kevitra ary ny fitantanan-draharaha; hatsaraina sy harovana ny zon’ny vehivavy.
Paikady 1. Ampidirina ao anatin’ny politikam-pampandrosoana rehetra ny miralenta. 2. Tohanana ny fidiran’ny vehivavy amin’ny tolotra fampandrosoana ara-toekarena. 3. Ampitomboina ny isan’ny vehivavy mitana toerana ambony amin’ny raharaham- panjakana. 4. Ahena ny fanararaotana ny vehivavy amin’ny endriny rehetra: ara-nofo sy ara-tsaina. 5. Foanana ny fomba nentim-paharazana izay misy fiantraikany ratsy ho an’ny vehivavy.
TETIKASA SY ASA LAHARAMPAHAMEHANA
MPITARIKA NY TETIKASA
1-Manangana rafitra ao anatin’ny fitondram-panjakana mba hampivoarana ny vehivavy
Minisitra miahy ny Vehivavy
2-Ampitomboina ny fandraisan’ny vehivavy anjara eo amin’ny toekarena, sosialy ary maha-olom-pirenena
Minisitra miahy ny Vehivavy
3-Mandray vehivavy maro hiasa eo anivon’ny raharaham-panjakana amin’ny ambaratonga rehetra