|
FANOVANA NY FANABEAZANA FOTOTRA : Sekoly Vaovao ho an'ny Rahampitso
Araka ny voalaza ao amin’ny boky mirakitra ny Fandaharam-pianarana T1 sy T6 dia mifototra amin’ny «hahazoan’ny zaza malagasy fahalalana sy fahaiza-manao miorim-paka ao amin’ny sehatra fahitany eo amin’ny fiainany» ny fanavaozana ny rafim-pampianarana. Izany dia mikendry ny hanabeazana ny ankizy ho afaka miatrika ny fiainana avy hatrany fa tsy ho manana fahalalana be izay tsy hainy ampiharina eo amin’ny tontolo misy azy. Miompana amin’ny sehatra ny fandaharam-pianarana. Ny fahalalana azo dia tsy mijanona fotsiny amin’ny maha fahalalana azy fa manjary fitaovana sy toetra ho entina hamahana olana samihafa eo amin’ny fiainana. Ilaina ny fitaovana amin’izany, ohatra ny milina fikajiana, taratasy, boky,… ary koa ny olona toy ny ray aman-dreny, namana, mpampianatra , … ahafahana miatrika am-pahombiazana sehatra samihafa.
Ny vondron-taranja
Voazara ho vondron-taranja telo ny fadaharam-pianarana. Ahitana fandaharam-pianarana vitsivitsy ny vondron-taranja iray. Ny taranja manana fifanakaikezana eo amin’ny lafiny fahalalana no natambatra ho ao anatin’ny vondron-taranja iray. Vondron-taranha malagasy sy siansa sôsialy | Vondron-taranja teny | Vondron-taranja matematika, siansa sy teknôlôji | - <!--[endif]-->Fandaharam-pianarana malagasy
- <!--[if !supportLists]--> <!--[endif]-->Fandaharam-pianarana siasa sôsialy
- <!--[endif]-->Fandaharam-pianarana zavakanto
| - Fandaharam-pianarana frantsay
| - <!--[if !supportLists]--> Fandaharam-pianarana matematika
- <!--[endif]-->Fandaharam-pianarana siansa sy teknôlojia
- <!--[endif]-->Fandaharam-pianarana fanabeazana ara-panatanjahantena
|
Tahirin-kevitra : Fanovana ny fanabeazana fototra, Fandaharam-pianarana T1 sy T6
|