| Tombana ProVert 2008 |
|
Famintinana ny vokatry ny tomban’ezaka
Nijery ny fanatanterahana an’ilay Programa Fanabeazana Maitso (ProVert) sy ny fivoarany ary ny vokatra naterany miohatra amin’ny drafitra nataon’ny FLM/NMS (Fiangonana Loterana Malagasy/Norwegian Missionary Society) Madagasikara no asany. Ny fitovizan-jo sy ny Nangatahana tamin’ireo mpiara-miasa ny hanaovana tombana eo anatrehan’ny Nangatahana koa ny fanombatombanana ireo tombotsoa sy tsy fetezana mety hitranga, ny fikarohana ara-sosialy sy ara-koltoraly ary ny fanomezan-danja ny vehivavy. Nasaina nojeren’ireo mpiara-miasa koa ny fahaiza-mandrindra sy mandamina ny asan’ireo Ho fanatanterahana ny asa nankinina tamin’ireo mpanao tombana, dia nitsidika toerana maro izay voakasiky ny ProVert izy ireo, nifampiresaka tamin’ireo olona efa ela niasana tao amin’io tetikasa io, nifampitafa tamin’ireo vondrona sy ivotoerana izay misahana andraikitra misy itovizana amin’ilay tetikasa, ary namadibadika ireo tahirin-kevitra voarakitra. Ny fampiasana ny teny Malagasy dia tena nilaina raha ny habetsahany sy ny kalitaon’ny fampahalalam-baovao no Nizotra ara-dalana ny asa natao ary tonga lafatra ny fiaraha-miasa tamin’ny Masoivohon’i Norvège, ny FLM/NMS sy ireo mpiasa ao aminy ary ny ivotoerana sy ny mpiara-miombon’antoka hafa mikasika ny fampandrosoana izay miasa eto Madagasikara.
Torolalana ho an’ny Masoivohon’i Norvège1. Irina ny hanohizan’ny ny firenena norveziana ny fanohanany ny Programa Fanabeazana Maitso (ProVert) satria mitondra fandraisana anjara lehibe amin’ny fivoaran’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy fanabeazana tsy manavakavaka ilay tetik’asa. Ilay Programa dia manampy amin’ny ankapobeny koa ny ezaka ataon’ny firenena eo amin’ny fanatsarana ny pedagojia eo anivon’ny sekoly fampianarana sy ny sekoly fanofanana mpampianatra. 2. Ny Masoivoho norveziana dia irina torak’izany koa hanohy ny fiaraha-miombon’antoka stratejika miaraka amin’ny FLM/NMS eo amin’ny fampandrosoana ny Programa Fanabeazana Maitso. Rehefa tapitra ny fifanarahana amin’ny 2011, dia tsara raha mieritreritra ny hanohy ny fanampiany izy ireo raha toa ka mahafapo ny tomban’ny programa amin’ny fahataperan’ny fifanarahana. Torolalana ho an’ny FLM/NMS sy ProVertMisy torolalana manokana 16 ho an’ny fitarihana ao amin’ny ProVert: 1. Tokony ho tomorina akaiky ny fanaovana drafitr’asa maty paika (Programme Strategic Plan) mba hahafahana mandrindra ny fitaranan’ny programa sy mba ahazoana mifehy ireo voka-tsoa ateraky ny tetik’asa arakaraky ny ezaka vita izay azo refesina 2. Tokony hametraka lamin’asa momba ny Fanaraha-maso sy ny Fanombatombanana (Monitoring and Evaluation) ho an’ireo ivotoerana amin’ny fanomezan-danja ny fomba fampianarana sy fomba fianarana ary ny amin’ny fanaraha-maso ny vokatra azo tsapain-tanana. 3. Tokony manao tetika mazava sy voarindra mba hahafahana mifampizara traikefa, sy 4. Tokony hazavaina tsara ny hevitra fonosin’ny fitovizan-tsaranga eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy. Mila mametraka 5. Ho fanomezan-danja ny vehivavy, dia tokony averina dinihina ny kalitao sy ny fizaràna ny asa natokana ho an’ny vavy sy ny lahy eo amin’ny fampiofanana arak’asa. Tokony hikaroka rafim-pampianarana vaovao izay sady tsy manavakavaka ny vavy sy ny lahy, no mety hanome asa mampidi-bola bebe kokoa, izany hoe tokony ho maro karazana ny 6. Momba ny fivelaran’ny fanabeazana ara-tontolo iainana dia tokony ho faritana ny dingana manaraka aorian’ny fanatanterahana ny fototr’asa maitso izany hoe ampidirina ao Ny fahitan’ny mpiara-miasa an’ity tombana ity dia mitovitovy amin’ny fehitenin’ny tombana natao tamin’ny taona 2006, izay nilaza hoe : ny ProVert dia programa tsara rafitra sy tsara tetika ary tena manampy amin’ny fanatsarana sy amin’ny fahombiazan’ny fanabeazana eo amin’ireo toerana nofinidy eto Madagasikara. Tamin’ny taona voalohany ny Programa dia nametraka
7. Ny fitantanana ao amin’ny ProVert dia tokony hanatsara sy hizara fomba fanao tokony halain-tahaka (fizaràna hevitra, fahaiza-manao, fiaraha-miasa) eo amin’ny sekoly izay manaraka ny Programa Fanabeazana Maitso isan-karazany. 8. Tsara ny mikarakara fifaninanana eo amin’ireo sekoly eo anivon’ny faritra, izany hoe omena fankasitrahana avy amin’ny ProVert ireo sekoly izay tena hita ny fivoarany sy ireo izay namorona tetik’asa maitso mendrika indrindra. Ireo fankasitrahana ireo dia natao hamporisihina sy hankasitrahana ary koa hanamafisana ny firaisan-kina eo anivon’ny firenena. 9. Raha mikasika ny fampandrosoana ny pedagojia indray, dia tokony hametraka Pedagojia ProVert sy torolalana fanampiana izay mampifandray ny foto-kevitry ny APC (Approche Par les Compétences) sy ny an’ny ProVert. 10. Ny lisitra fanaraha-mason’ny kalitao ao anivon’ny SOFABA dia tokony hatao fototra hiaingana amin’ny fametrahana tondro-marika ho famantarana amin’ny fianarana sy ny fampianarana eo anivon’ny ProVert. 11. Tokony havaozina ny ezaka eo amin’ny fandraisana sy ny fitazonana Mpanolontsaina ara-pedagojika (Pedagogical Advisor), satria zava dehibe ny fisiany mba hahitana fahombiazana eo amin’ny Programa Fanabeazana Maitso. 12. Samy mavesa-danja ny tsy fitoviana sy ny fahasamihafana ary ny tsy fanavakavahana (inclusion). Noho izany, mety ve raha mamorona modelin’ny tsy fanavakavahana eo anivon’ny zaza sembana, ka tsy raisina ho lesoka eo anivon’ny fiaraha-monina izy ireo? Ohatra hoe, ahoana ny fomba atao mba hanatsarana ny fiaraha-monina ao an-dakilasy miaraka amin’ny zaza marenina? 13. Tokony omena fiofanana ny mpampianatra ary tokony hatsaraina ny fomba mety ahatamana ny mpianatra any an-tsekoly. Tokony tsy mijanona mikaroka fomba fiasa vaovao mba ahatsapan’ny mpianatra ny fandraisany anjara amin’ny asa atao ao an-dakilasy (ohatra mianatra tsiroaroa, na maromaro ahitana ankizy samihafa miara-mianatra). 14. Mila fanovana toe-tsaina ny momba ny fanofanana mifanaraka amin’ny fianaran’ny ankizy jamba sy marenina, izany hoe tokony fiofanana mivelatra amin’ny tontolo moderina sy ara-barotra no apetraka. 15. Ny foto-kevitra mandala ny tsy fanavakavahana dia tokony ho jerena amin’ny fijery malalaka kokoa, izany hoe tokony hitodika any amin’ny tsy fanavakavahana ara-sosialy sy any amin’ny fanekena ny fahasamihafana. 16. Tokony hajaina ny safidin’ny tsirairay eo anivon’ny sekolin’ny ProVert momba ny fivavahana. Mila ezaka bebe kokoa eo amin’ny fandalana ny zon’ny mpianatra.
|
Tombana


