|
IREO SORITR’ASA MIVONDRONA AO ANATIN’NY BMS/FAFI: 1- Ireo Sekoly Fambolena sy Fiompiana: SEFAFI SEFAFI Tombontsoa Antsirabe: Manomana mpianatra ho matihanina amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana ka afaka hanangana orinasa madinika na salantsalany eo amin’ity sehatra ity. Mpianatra voaofana indrindra indrindra amin’ny lafiny fiompiana omby vavy be ronono, sy ny sakafo mifanaraka amin’izany. Ankoatr’izany dia manana ny fahaizana mitantana rehetra ilaina ahafahana mitantana ny orin’asa izay kasaina hatsangana. SEFAFI Fihaonana Vohipeno: Toeram-panabeazana ireo tanora mivonona ny hiverina any ambanivohitra mba hanabe voho ny tany ka ho lasa matihanina amin’ny maha tantsaha azy. Fampianarana miompana indrindra amin’ny lafiny pratika, ka ahafahan’ny mpianatra tsirairay mampihatra avy hatrany izay noratoviny tany an-tsekoly amin’ny asa ataony andavanandro. Toerana anovozana traik’efa betsaka mikasika ny fiainan’ny tantsaha sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. FOFAFA Tsarafototra Morondava: Sekoly mahasahana lafiny maro mikasika ny fiainan’ny tantsaha ka anofanana azy ireo hananany traik’efa tanteraka raha hahavita fianarana izy ireo ka handeha hiverina ho tantsaha. Sekoly ahitana ireo karazana taranja rehetra ilaina amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ankoatran’ny fitantananana sy ny lafiny fiainam-pianakaviana. Sekoly manofana indrindra ireo tantsaha fianakaviana mba hiverina ho tantsaha rehefa avy eo. 2- FANENTANANA FAMBOLENA SY FIOMPIANA. FAFAFI Tetik’asa izay manentana indrindra ny tantsaha any ambanivohitra amin’ny fampiasana ny teknika mahomby sy ny fomba tokony hatao mba hahombiazana amin’izany sehatr’asa izany. Famporisihina ny tantsaha ihany koa mba ho lasa matihanina amin’ny asany amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo amin’ny fomba maro samihafa (ara-pitaovana…) Ireto avy ny toerana misy ny FAFAFI : FAFAFI Antsirabe, FAFAFI Fianarantsoa, FAFAFI Tolagnaro, FAFAFI Antananarivo, FAFAFI Fandriana 3- SORITR’ASA FAMPANDROSOANA. SOFA Ireo soritr’asa fampandrosoana na antsoina ihany koa hoe PROJET INTEGRE dia soritr’asa misahana ny fiainan'ny tantsaha manontolo mihitsy fa tsy ny lafiny fambolena sy fiompiana ihany. Misahana ny lafiny fanabeazana ary indrindra indrindra ny lafiny ara-pahasalamana. Misafidy ireo toerana tena sahirana ny soritr’asa fampandrosoana mba hanaovana ny asany amin’izany fanentanana mikasika ny fambolena sy ny fiompiana, ny fanabeazana ary ny fahasalamana izany. Soritr’asa izay anaovana ezaka betsaka indrindra amin’izao fotoana izao, ary efa ahitana vokatra azo tsapain-tanana mikasika ny fiainan’ny tantsaha. Ireto avy ireo soritr’asa fampandrosoana: SOFABA sy ny LFMB Faritra Ihosy , SOFASPAN Faritra Vatovavy Fitovinany, SOFAFAMI Vorehe |